Genesis 39

Ny nanaovana an’ i Josefa tao an-trano-maizina

1Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ ilay Egyptiana tompony izy. 3Ary hitan’ ny tompony fa nomban’ i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’ i Jehovah avokoa teo aminy. 4Ary Josefa nahita fitia teo imason’ ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. 5Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. 6Dia navelany ho andraikitr’ i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. 7Ary taorian’ izany ny vadin’ ny tompony nanopy ny masony hijery an’ i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. 8Dia nandà izy ka nanao tamin’ ny vadin’ ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. 9Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra? 10Ary na dia niteny tamin’ i Josefa isan’ andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. 11Ary tamin’ ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’ izay. 12Dia nisambotra azy tamin’ ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan’ i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 13Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, 14dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ ny feo mahery aho; 15ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. 16Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’ i Josefa, mandra-pahatongan’ ny tompony tao an-trano. 17Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; 18ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. 19Ary rehefa ren’ ny tompony ny tenin’ ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon’ ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20Ary ny tompon’ i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ ny mpifatotra diso tamin’ ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. 21Nefa Jehovah nomba an’ i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ ny mpitandrina ny trano-maizina. 22Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’ i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’ i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’ i Jehovah.
Copyright information for Mg1865